Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|247A7671-6AE3-4A01-8073-B38DBADE0F61
2
ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37AC0BDF-709A-4B30-8E20-CD5D7AC98BC9
3
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9783ED00-A6CE-49FC-BB81-80AF66E52F3F
4
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay mararin'ny paralysisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152275DD-63F5-4015-ADEB-A16F6BA6ED8A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany