Lioka 1: 1-80

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07E6CE79-CEF0-4C91-9ED6-C1B3F5B0CA41
2
araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDAD3E3D-A9FB-4ADB-9A44-6A8CDBC6FF65
3
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanotratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EB3A647-FD1F-43E7-B669-3BD1DDC861CF
4
mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E547E735-00C9-467D-BA16-4F8BBE51E384
5
Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0E73388-12CA-414E-A2C4-6E4AA6E5A776
6
Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|426D5B4A-C2B0-4B2E-9790-203941EC8297
7
Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A2AA4EE-C800-4B3F-BCC9-DC99F773DD44
8
Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1660453C-1A15-49E6-B78C-0C960B518ADD
9
araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|041F316F-1B0E-4C73-866B-ED0EDFBE26ED
10
Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E060EAB9-8B25-469A-BACE-BEBBBD0F9FE9
11
Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|450547D6-16DA-4F72-8E9F-03FB639BA820
12
Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC513E5B-5FF7-4BE1-8B2C-C79F684BC31F
13
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44DFAB6F-65AD-471A-A3B3-0300E21B741D
14
Ary ho faly sy ho ravoravo hianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D130E48E-A37E-4CEF-AC40-671B855E8EB5
15
Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0889EF8E-B50D-4451-B115-173142A3FAF6
16
Ary maro amin'ny Zanak'Isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CC95434-42DE-44E7-AE72-6CA57CA390FC
17
Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho ami'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo (Mal. 3. 23, 24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81760E6B-0082-43D5-BB32-72650B7F4073
18
Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4A66C5C-3E74-4E95-BFF2-57FBA43C7D93
19
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59EB1102-9B72-4E3B-948E-5E65414B33C6
20
Koa, indro ho moana hianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05CFB14D-7964-4FD9-977C-4CB21E558912
21
Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D83659E0-ECD3-444A-A947-41FE7FF20C00
22
Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D3C79F8-4A83-47F0-BE0D-8D7756281379
23
Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BB4C12B-C3C5-461B-B73C-93CDCDF18979
24
Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E260535-2B20-4D7D-8575-49FDF99FC623
25
Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A64B87D7-F16E-42DC-BEB6-64ADEA8007D3
26
Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFA0FF07-72A8-4F06-9AF5-7EA807B439E9
27
ho any amin'ny virijina anankiray izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFB0C7D2-EA19-4633-B983-3741E3BA9542
28
Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B36769-68B9-4BAB-969D-74003D209241
29
Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay ho tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84EB3405-1149-49C9-A203-AF0EEBFF7A05
30
Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACB52F91-54A8-4E4D-BD41-EABC20A8B453
31
Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD32CE5-5330-479C-B6B7-152C68958B99
32
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; ary Jehovah Andriamaniny hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0502F96D-0288-4496-9133-14BE23AE3FA6
33
ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|486DD89C-251F-4B5A-A639-0FEAFFB142D3
34
Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1F020F8-441C-437E-B428-41AF871B5D51
35
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E9044F6-23D8-418F-B105-016C95EB4AD7
36
Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8296FBD-280A-424C-A97B-D382FD16DEA6
37
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|112C232F-6899-4FCC-85DF-6C62F88C86FC
38
Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECFC07C3-FFA8-4F7A-B75C-8F7AD20F0B1E
39
Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65D8B8E8-5778-4CEA-B5A6-8ACDFC43BBF2
40
ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E786D36B-71CE-459C-9695-1A37D8575D8D
41
Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7574C4F-C2E7-43B6-8B92-88820FC90B97
42
dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy hianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92E3EC63-6054-40FE-A2E4-255C1812D159
43
Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15FBA61B-E35D-4EDE-8172-06D3DDB18236
44
Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|779627DA-7156-463D-9488-86441B3462D0
45
Ary sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD97B5EF-2893-4195-B02A-B7C37BA4122C
46
Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D82B3C2-86E7-4268-A001-293E0FCE8CD3
47
Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A66C6F6-0520-4970-9D80-215C851AFFA5
48
Fa efa nijery ny fahambanian-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F7579F2-BD9E-4C35-93EB-822EB499F0BB
49
Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|698E02A6-AB36-4410-A3AC-772F343978B4
50
Ary ny famindrampony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B1EA5A-91D7-42C3-87EC-C66C8BD5D233
51
Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C472DC08-5250-4B45-95B5-8AE27C2D2F7C
52
Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6D1F094-0A16-4A5E-8A6A-67530A0FFB1B
53
Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialany maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A9C7318-0F50-4339-888A-38D8B418F506
54
Niahy an'Isiraely mpanompony Izy, Fa nahatsiaro ny famindrampony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A036D535-DF88-4AA9-A271-00A5849BEDD9
55
(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), Tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D64A2C7-A4EE-4193-AB6E-645EC635FD3C
56
Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|343AF70D-CC6C-4991-8E80-40D5DA9672B7
57
Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB4B2FE6-1588-4DB8-A76B-5BAA7CFFFB63
58
Ary niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindrampony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ACD64F2-ECD7-4358-B0F6-49919C62286C
59
Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7DB61FC-3FFC-42FF-8BA5-3137C3E5AFEB
60
Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB48B127-544E-424F-AA09-BA836EC3A88E
61
Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC9F8503-2528-45D2-8C35-90230B1AFEBA
62
Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy izy ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33716E35-1216-4646-9F3A-FF56CFDE2BDF
63
Ary nangataka fafana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F7F6441-8FAF-424C-9496-34894849A28B
64
Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9DE1568-B87C-4467-A944-238699369988
65
Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A84FF972-4299-41C1-ACCD-5AA26281D23A
66
Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tànan'ny Tompo nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE2311C-2F2F-46D8-9F3C-101FE4A4632D
67
Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F7301DF-CC1E-49A3-8610-3245B4B76134
68
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony izy ka nanao fanavotana ho azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65EB463E-AA0F-40AE-825C-639F720AD018
69
Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9D9B351-D902-4BA7-864D-5F13612A424F
70
(Araka izay nampilazainy ny mpaminany masina hatramin'ny fahagola),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE7F2744-C550-43EF-9532-C8E5A4A5BE33
71
Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BFFDEA8-B635-4572-B8D9-AB65C1BD8891
72
Manefa famindrampo amin'ny razantsika Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B51A1F4E-4699-42BB-A172-356DD3632395
73
Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E819ABD-D4D1-452A-84A5-021FA69D63BB
74
Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin'ny fahavalontsika isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF24893-05D9-4893-BCE1-9A60A7E8849A
75
Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DC40364-2BD2-4080-972B-27C7DE015A5D
76
Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo hianao hamboatra ny làlany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71D49C71-C9BF-4671-B07E-A5A96D53F4B1
77
Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89B9209B-BC75-478A-B7C3-D3B5269F000C
78
Noho ny halehiben'ny famindrampon'Andriamanintsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A34CA482-804F-4F0B-A744-23A12C087BF6
79
Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB10ABBC-CAAB-4928-BC71-28D682936CB2
80
Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF2A8889-F7E2-4BC9-BBC4-DAE886A26E75
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany