Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny rany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF69AC2E-E9F6-4F26-A955-6256DBE4569D
2
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02D74138-C0F7-49DF-B3DD-1D93E48C581E
3
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018C4BF9-CF90-4E87-8457-086F12B22D3D
4
Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B053E27-BE78-4F32-A740-8D740B70ACEE
5
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0851B6CC-FC4A-48F3-A806-DA88C326B488
6
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanimboalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A066D2-0240-4381-82F2-783BFA5B3B17
7
Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanimboaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|590BD3BE-940A-4379-BC9B-641EC5B7E37C
8
Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC0031B4-96B0-4D54-B5AC-F03A692684B5
9
angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A08E828-D73A-4BC6-8F5B-B2120571CC00
10
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C75703C-9595-46B2-808D-513312F2E729
11
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E50E963-D6C4-4222-BBC8-43CA8D1139C2
12
Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2960A7F0-6D9A-409A-85A1-773CD009C299
13
Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23A849E-D608-440D-B24E-48C2230A75C2
14
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A44B05CF-3F35-4C76-BF7E-84FD5C26BD63
15
Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny sy ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va hianareo ka mitondra azy hisotro rano?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43104AB6-5C3D-410F-9879-9C7AEE44B58A
16
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2C8C8BF-20FB-42B7-A142-5D14FAC7355F
17
Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B319BCBE-B3AD-4546-85A1-9BE5FE5C44B4
18
Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? Ary inona no hanoharako azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E012B38F-C3E9-4B06-BC45-21C33F394297
19
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B9002FE-49EE-4353-9887-4A4A6534EF69
20
Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB50CD4D-EDA4-4808-AAAD-78DA17A4B692
21
Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A11325ED-1263-430A-83CE-57975B91DD67
22
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AAEBC55-3281-48A9-85D9-55548F9583C4
23
Dia hoy ny anankiray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7CA76FD-D223-489B-B3F5-5B1F39001563
24
Miseseha hiditra amin'ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91BBF6DF-6E34-4AFD-9FD1-1C8270CC5F44
25
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary hianareo mijanona eo ala-trano mandôndôna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9565982E-7B16-4D0E-8A86-2C794D0FDADE
26
ary amin'izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED105650-43D8-490B-87AC-80F2908F5D9B
27
Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|370B6CD1-E1DB-46C7-BE15-CA7E1D9C03AD
28
Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohan-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra hianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC984C7-2EDB-460B-AE60-7AA4BFC9E013
29
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F21C781-2A18-44F0-ABF7-14E1B1DDC03E
30
Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1F14CF1-8088-4E55-8020-C9979FD97294
31
Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCC3B1E0-9F94-4539-AF27-4EAA54F4BAC7
32
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFE121CF-D2D3-4829-A44C-8309CDBA1EC3
33
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina raha tsy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|916C49C3-C82F-4CFA-8E90-4A64E312110A
34
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB776488-D0FD-498D-A52D-888FBC0F1601
35
Indro, avela ho anareo ny tranonareo! Ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal.118.26)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F9668BA-B0B7-48D1-9167-0B25930956CF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany