Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C75703C-9595-46B2-808D-513312F2E729
11
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E50E963-D6C4-4222-BBC8-43CA8D1139C2
12
Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2960A7F0-6D9A-409A-85A1-773CD009C299
13
Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23A849E-D608-440D-B24E-48C2230A75C2
14
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A44B05CF-3F35-4C76-BF7E-84FD5C26BD63
15
Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny sy ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va hianareo ka mitondra azy hisotro rano?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43104AB6-5C3D-410F-9879-9C7AEE44B58A
16
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2C8C8BF-20FB-42B7-A142-5D14FAC7355F
17
Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B319BCBE-B3AD-4546-85A1-9BE5FE5C44B4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany