Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D9680E3-BE31-4D46-B55D-014E1849A76C
10
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F9A5548-EDAB-407C-8F42-9A7DD0FAA3FE
11
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C91911-A226-4029-AC06-6E1AB42E273A
12
Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3077B3A8-9F07-4858-934D-B687D461E67B
13
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F05A3C59-9BA9-42A4-9529-C5077E3C5BDD
14
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DEA9DB6-F6C3-4FF8-9443-07BB837753C9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany