Lioka 2: 41-50

Andininy
Protestanta Malagasy
41
Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12DC4C6D-ECEF-4F41-9FFC-213323A8018A
42
Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14CD0E8E-B435-426F-93A5-41D96C7FCBA9
43
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07BD47A7-8A2F-4AE7-9C40-EF4958280BD0
44
ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha làlana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E91F66E4-D1F3-4305-B62B-D0F1CB157356
45
Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81C45813-A9A9-4396-B665-5E5EC06C42CF
46
Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BA7E43F-7894-4552-9FAB-0164513C59F1
47
Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6E3C6FD-1F92-44D1-B5B6-F384348BBC19
48
Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|110D14FD-BA80-4B4F-A0F0-F8D8FE98C442
49
Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17EAB78F-B712-48EC-A85F-871AE6507C93
50
Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F7E6DDC-F41C-425B-8B63-649D4D19F5DE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany