Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1FA6870-C97A-484C-A10C-150EC444EF77
9
Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFFB12FA-7642-4659-93F1-04D0D4202937
10
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izany ho an'ny olona rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93A84859-EFAA-43B2-BCCB-26DFAD42E534
11
fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanĂ nan'i Davida, dia Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53194623-9A78-4C92-A7C1-AFE9C46E41A0
12
Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2741E89E-F9C9-46C0-988B-C69977EB24A9
13
Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4823DCA0-E38C-4B71-B5FC-935A2659DC33
14
Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC533AC-4C73-4A49-BAD8-DE30872C1DD6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany