Andininy
Protestanta Malagasy
9
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3179209-3FE0-4697-A5E7-74F6492414BD
10
Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka iny ka nampandeha azy maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE803F34-73E3-4225-A52F-1F149C19D20C
11
Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalainy baraka ka nampandehaniny maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B26B5AD0-6DF1-44EB-A05D-E1D3EDB58DD0
12
Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1E41805-1DB2-4AA6-A552-7E78DB8C24AA
13
Dia hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E4C9B5C-44FF-40E3-AB95-59B224D7C36D
14
Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe; Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5A5F87C-B9F7-4BAD-9920-B1BDD8B295C1
15
Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanimboaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka ahoana moa izy amin'izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC2DBBC-33ED-4555-B802-89DE346D2BF4
16
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B424E941-C063-4028-A144-D47BAE6FC186
17
Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro (Sal.118.22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BFE77A7-82AD-414A-90F2-9067ABAE9D5B
18
Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|964231BD-93EC-4601-BE7E-0C6EC3439A6C
19
Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DEF0028-6987-4124-A6A8-9CE0FD60CFAB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany