Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2009ED1-25D4-41D2-B37C-5BDF15F3DF10
22
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB5CE5A-F64A-4833-853B-8BD5C32FAC3B
23
Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6823B476-BBC5-43BA-8036-7C8F6320BCC4
24
Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE9EA85C-7130-4C6E-B61E-A65A0A08C9FA
25
Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BDA4384-441A-42A0-AAED-0DE93A40C7C0
26
ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A4560AA-8A61-4FD6-95D6-DD3E802F207D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany