Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68A9047C-6504-4367-B648-9EFE50592F15
2
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B5C03D1-1AE8-4E01-9102-F037B031F08A
3
Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB45956A-91FF-4FE8-82B8-98EF578DD53E
4
dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6B03F44-0547-47FA-BCA8-1CA5A0BBAF47
5
Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|082F9549-6940-4CF5-892C-1789AF641B55
6
Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE1A1C1F-2778-473F-8C49-5AE51547999F
7
Ary tonga ny andro, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB62CCB2-6AE2-4B97-8775-DA9B30F9B368
8
Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A45101EB-AA22-42E0-B8E1-381C389ED575
9
Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D10EF2D-1BDB-497F-ACA0-2D791292FC23
10
Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna hianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|578DFC6D-975C-4E03-BF3F-BDD3D4F82763
11
Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza no efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|286A905C-E541-4571-86FD-FF725A568EC1
12
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana; izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|736E5486-AD40-4481-9C6A-113D44F6A139
13
Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E11E904-187B-4E2E-8CA4-4685350CD2C5
14
Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B019B9A-6DDE-4684-84B0-7D5D67596AF3
15
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3CB0B3-646F-4571-B8DE-50ADDAE59861
16
Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C44EA6AD-2719-4CC4-876E-C33A1710C28E
17
Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDDC98D3-9F12-4994-926F-5AFB4069E22B
18
fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADAC238E-901E-482B-93FF-FEC49489D858
19
Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D0D73FB-08E7-44ED-ABFA-5A15AA5B7D45
20
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9331D1-BA3D-49AF-8355-E37A3F6507E7
21
Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09116C8A-5BCD-4D84-A099-287CDF6D6FB3
22
Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanandrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40D220A7-8C09-4409-B2A8-023CAEF5E0B4
23
Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72678B27-B166-4EE2-820C-547D1FC6D26E
24
Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B2EFF3C-99C7-4B76-8A10-A9DFC33157F1
25
Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA124235-191B-4CCF-87AF-B8FDD592B595
26
Fa tsy mba toy izany hianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85BC321E-0522-443A-A738-B448C5FC0BEC
27
Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5E480A5-98C1-4B0A-9C32-0CCE6B259652
28
Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|434CF531-A19D-455A-987C-199802E24E5C
29
koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EFA52CA-2539-48FA-9649-C46F88328374
30
mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen' Isiraely roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA19E6E5-8502-473C-A955-8E670027EA1D
31
Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C367ACB-CF93-4017-9545-5E283D6D1ED5
32
Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE90158-EECF-4B94-BB9A-B9514864FCC1
33
Ary hoy izy taminy: Tompoko; vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin'ny fahafatesana aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|162BCD8F-F438-4A99-8F2D-93D59B00A335
34
Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42C3ED67-3BC1-4823-9548-401395C4079E
35
Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa hianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE49E79-33B4-4C26-9A2B-ADC58958E2D3
36
Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCDE6CA-1046-47B4-A0F6-0BD4C64AF8C8
37
Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa.53.12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A20BA34-3960-402B-B370-4EF9BD42C8F6
38
Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A05CFBC-42D0-43BC-A9D4-84EAB6E11805
39
Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE54AA26-5026-492F-9060-A208A3F6F8EC
40
Ary raha vao tonga amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy : Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|638FE452-9801-4B01-B9F7-B0222C7A05B0
41
Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B931487-5E1E-4D6F-9167-0F5FAB3A158F
42
Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DCE6A47-9B50-4C0B-A3E8-FE748DCE1EE9
43
Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|224A096F-C8D4-46C7-A7A0-B53CC97F8949
44
Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DA2F0B0-05A0-40CB-9D0E-24DCA83B89AB
45
Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30BB47E5-C79B-45AE-86FE-89D39FF94FE1
46
Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory hianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|516DDFB1-DDB0-4EA0-9AF8-58B77324E0A4
47
Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41194110-E4E5-43EE-9886-5D995565A005
48
Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C00EF74A-F631-4913-BA8E-C55842D0696A
49
Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E34E08D-5B40-4A39-BC36-5088A329D59A
50
Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60D5E03A-E625-49CA-9D13-090F0C1EBDE0
51
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11E92788-65C4-42FC-98B6-846C33E0A22E
52
Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48EBD61B-F6B3-4B43-91E2-5FFA3FF04A2D
53
Raha teo aminareo isan-andro Aho, dia tsy naninji-tànana tamiko hianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEA58626-7E6E-45BB-BF4E-9E89E09A5D6A
54
Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13222824-CA91-4308-AB54-23222F84F847
55
Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0CA8B6-E42F-4FB2-9687-B23C08431A07
56
Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCF5F32C-5F03-4EDF-9FD8-6683F5C6A5C7
57
Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615356C1-B210-411E-9463-77148C6A4CD6
58
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ADC0C5D-D4E7-4F2B-A0EC-94C57F4A2161
59
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray dia nisy anankiray ka nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A8CE58F-1067-40A5-9799-28153531BCFC
60
Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|915A6DDE-46F3-4FAD-85EB-8F7EA313173F
61
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: 'Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo hianao'.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3402E8B-09E1-410C-B9B5-D6B56093321A
62
Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5353E6C3-3D81-43CE-8538-7BA9ADD82FBA
63
Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82530E12-8E62-4A3B-B269-00145F827714
64
Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960525BA-8ABE-4078-9F5D-6E1E353FFE45
65
Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|622C7020-3892-40AD-ADF8-1AB4802067BF
66
Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|311D45D4-7D90-4D36-A85C-186CB5A24F9A
67
Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA17D84-FA34-4F42-A2A9-4ED02ACF403C
68
Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B001747-5509-473F-A571-7F430A682C95
69
Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tànana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA9AE8E-FCF0-45A7-974E-E8B4C4712DB7
70
Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED80319-4CBF-4EA5-BAEB-AD2BE435E62B
71
Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DDA79AE-8C02-4AF2-BCB6-117AD5FC3EE3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany