Andininy
Protestanta Malagasy
14
Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B019B9A-6DDE-4684-84B0-7D5D67596AF3
15
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3CB0B3-646F-4571-B8DE-50ADDAE59861
16
Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C44EA6AD-2719-4CC4-876E-C33A1710C28E
17
Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDDC98D3-9F12-4994-926F-5AFB4069E22B
18
fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADAC238E-901E-482B-93FF-FEC49489D858
19
Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D0D73FB-08E7-44ED-ABFA-5A15AA5B7D45
20
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9331D1-BA3D-49AF-8355-E37A3F6507E7
21
Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09116C8A-5BCD-4D84-A099-287CDF6D6FB3
22
Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanandrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40D220A7-8C09-4409-B2A8-023CAEF5E0B4
23
Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72678B27-B166-4EE2-820C-547D1FC6D26E
24
Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B2EFF3C-99C7-4B76-8A10-A9DFC33157F1
25
Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA124235-191B-4CCF-87AF-B8FDD592B595
26
Fa tsy mba toy izany hianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85BC321E-0522-443A-A738-B448C5FC0BEC
27
Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5E480A5-98C1-4B0A-9C32-0CCE6B259652
28
Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|434CF531-A19D-455A-987C-199802E24E5C
29
koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EFA52CA-2539-48FA-9649-C46F88328374
30
mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen' Isiraely roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA19E6E5-8502-473C-A955-8E670027EA1D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany