Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|120EE382-62A1-4EC1-936D-64B18B0799DA
2
dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E64E09-C83B-4CFE-BCF9-5997E7347FBC
3
Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E79871E3-75F4-47AA-A896-8FF2C22253ED
4
Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB5017DB-4067-420D-AC21-7B0CB56AA39F
5
Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE96038F-82C6-47F6-890E-E3527BAEFED0
6
Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16E55280-4994-4FB3-9A86-D0C1DE3B1A86
7
Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60FD7F07-6EC8-4DA3-A1E2-8B3F2F2645EC
8
Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry efa hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F92666-46A1-4025-A336-26A80E632C27
9
Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|739D37CB-BC30-4CE6-A29D-B7EEB02C416B
10
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fantatra niampanga Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|149C7885-A9A1-4EF8-BBD9-D48913D5E1C4
11
Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B37620CC-E3D7-4B18-A9EC-8D07B1C0134F
12
Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45EA30EF-E5CC-4F31-AFA1-447579DB2915
13
Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0278F726-FE58-4B18-A7D8-F45CD30FF808
14
dia hoy izy taminy: Entinareo aty amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3654BCDB-A2F2-425B-9610-FA6D03DE5EBC
15
Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy ho aty amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3786F8F0-A523-49EC-B3F2-DB02676FBCCF
16
koa hofaizako Izy, dia halefako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2330CB20-4360-4211-8B1C-B2622F9FF3A7
17
Fa tsy maintsy mandefa ny anankiray ho an'ny olona izy amin'ny andro firavoravoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF47594-BA27-4CF4-A580-A728DF1F73DC
18
Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDDF7F79-5843-43D0-8310-EA6377C00365
19
Nefa natao tao an-trano-maizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4A6D947-12D7-42D8-A5A4-380421C4A5D0
20
Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C722826-F8FE-46DB-8AA1-98E9E8A40F71
21
Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DFF1A50-8A81-4604-B91B-C2493313CF77
22
Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony? Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE1CEF28-B4C1-4565-8D4E-F8FE21C5F836
23
Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2E8DF0A-FA72-4196-8E45-8F9857A3C567
24
Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|809AAEAA-EB72-4768-A61A-C61B6A66E875
25
Ary dia nalefany ilay natao an-trano-maizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|321FCBCE-DD5B-4E4C-8AF1-880E05EABA2C
26
Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D3A5CF-AC91-4BA7-8C7A-94CF90B8F13A
27
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52795BB-D444-43C9-8847-15653D3B54FC
28
Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|929B6E02-4B3A-4B8C-82F7-8F48C0982BC0
29
Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31BFE5FF-6907-4992-8081-17A9F7E9DF34
30
Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Sarôny izahay (Hos.10.8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24F47F09-1060-4532-B406-E743DF30760A
31
Fa raha ataonay amin'ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin'ny maina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23EFC17E-C2AF-469D-94CF-9C73FB82E7E0
32
Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA928050-0A0D-49AC-896F-57F587A98EC1
33
Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB506475-8619-4A4C-AD62-00CBA3DD6122
34
Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|893AE9B4-55C4-4C83-B818-AE9D46913CC0
35
Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26FB9C12-BA00-489C-B51F-1C9537DF7513
36
Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63E9FFA8-42A8-4FDD-8F57-819F77912709
37
sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33FF9436-CFD6-44EC-A6BF-E2F3CDFCD2B4
38
Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4955C78-708D-456E-B4A0-2BF37C347AE6
39
Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|016AC50E-6E53-447C-87D7-E694317D7DB3
40
Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB2478E5-D8E8-4E97-BA38-8854C5E57182
41
Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE0C4A11-B1EE-496B-92E5-71BDF5E4465B
42
Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1CA9C83-8E92-43BC-BC71-1D6DB0C08830
43
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C0F6E95-82A7-4445-883A-7B19670780F5
44
Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F97DF659-04C0-42FB-97AA-51C7E85777E0
45
satria niha-maizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46517401-C0E2-4EFC-AC1A-46DA23B4EC8A
46
Ary niantso amin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko (Sal.31.5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4C7C54E-42B5-4FF0-8A7B-25EFD23C3A41
47
Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an' Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DB88950-66FD-464F-AEDA-57750E4BB8BC
48
Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3958880-FAD0-458B-A749-6234B5CFA59C
49
Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71230150-B2A8-413B-8E5C-221C8FE6B364
50
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3650CD42-66E1-44C8-B1C3-25BB33CDBE58
51
Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5D2B348-490A-4AC8-8A8C-26B4F56F2EE5
52
Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA2008DB-00D9-4665-9919-557797A1D3B0
53
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1809FF7-0849-430F-AA66-E224BCF2A982
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany