Lioka 24: 13-35

Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany fa hakany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadioraha any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBFF5A26-AEE4-4710-8167-55FE6ED936F4
14
Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE3E18F5-3701-43BF-93D1-FB6538EF7CCF
15
Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2026C29B-C27C-443F-813A-A84948C17A62
16
Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E9A8BA6-D679-4FBE-A3BC-AB2E645CE830
17
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED411E6E-CE1B-4C16-87B3-156DBF2BDF53
18
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalalaizay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BFEFFF5-1C7D-47C2-8EF8-72F5BE00138B
19
Fa hoy Izy taminy : Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E590DD20-C7FA-445B-8D95-B7CFF3239932
20
dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597512A8-11E3-4B5A-A752-2F73328D5613
21
Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izany nahatongavan'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0382968E-6061-4AE4-8439-D545F7FA917A
22
Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EE0F7F-EF5E-4DCA-B649-876BD8A9891E
23
ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8643F491-3E6C-459D-AAE4-0ADEBC4C23D1
24
Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24A3D398-7233-4706-B588-F01B32935144
25
Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8796386B-026D-4435-9E39-150326335C1A
26
Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1729D69-D5F7-4D37-AA69-C6D82FD35C03
27
Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22066E58-B242-4E83-A9D2-53008D743A46
28
Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F50CAAF-AABD-4374-AC80-7A77B66563EE
29
Fa ireo nanery azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|860F3A94-0588-4962-A8AB-52A69F770BA8
30
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9473BE7-261B-4B8B-BFD3-D7BE053DC1C8
31
Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EEE796B-CAEA-455F-ACD8-02119655611E
32
Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C361BC0-82A8-456F-ABDE-237F911741E0
33
Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2AA5018-E15E-48AE-B5ED-9F755052C06D
34
sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7438776A-F03F-4877-B107-E6EF6AE3AEE9
35
Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dàlana sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A868E0CA-1CC1-420A-9A22-CDF0954324F7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany