Andininy
Protestanta Malagasy
6
Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tànana ankavanana tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|070F3F9B-BD68-43A9-A455-8F618814CB35
7
Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDAFB67B-EF20-4C35-8BB1-9EB46E777D06
8
Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tànana hoe: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB290C9-CDC9-4E79-A859-84D758FC0D62
9
Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina sa ny mahavery aina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DF09CCB-B6AA-4CF2-8798-13D0408B0B12
10
Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF3ECDF-BE70-4C52-88D7-A4A2AE223B7D
11
Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovana an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1644BF32-6CE2-40E5-B1E0-D0D7A8487423
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany