Lioka 7: 40-47

Andininy
Protestanta Malagasy
40
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C86D286-6E9A-4889-A149-DB7E2F16F68C
41
Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8380D31-CD14-477E-94A0-4505F3C81B9E
42
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B885CF-C5C8-477A-BAD2-DE5B47B293C6
43
Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F14F247-D04C-4EC5-BC95-EE9837CC1E7E
44
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro hianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6057F3F0-5FA1-45B9-8A23-973B39A4AE5B
45
Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2D7237D-0766-4CF0-AAF5-F906D6E5A4E2
46
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6453720A-8241-4EC7-A159-BA1228FF35F0
47
Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB2B532C-ECCB-4F69-BC97-064B0BFCD1A0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany