Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0E1DA3F-D9A4-4EE2-87AF-09138D0308B6
2
Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|480CEED5-3A00-473A-95A1-C2C1AE830DCC
3
Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20CE4280-1A26-44D9-8150-53772122734F
4
Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD62EF9-7F88-4D45-BEE3-94753CC75D7D
5
Ary izay tsy mampandroso anareo, raha miala amin'izany tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AA94878-008C-4EBE-A6E9-03EE1B77176D
6
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E4337BD-F039-4A0C-B5EE-79D368690BCA
7
Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF9C89CE-38E3-47A4-8DE2-9D4EBAF0883E
8
ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9536D98C-426B-46E7-ADA3-5595D0208DF8
9
Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72328C4-4633-421D-9B88-88118303EDA4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany