Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4215DD2-AC42-4663-9C69-1F8FC10C80CF
2
Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A379A7C4-5096-426C-AC43-86A6E309BC90
3
sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E39CB9-53F5-4A38-A2C4-55A9DEFF68E8
4
dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B92ECFB8-C30C-41F2-BC52-37ADC9FE1D19
5
ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F064E40-6BA4-4B36-9739-57C6CA5D9347
6
Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E03598D-D488-4E60-A673-790447B9D82E
7
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83A4491D-6E8D-4EF0-A35C-30D622EEBA65
8
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54A2A6B4-BF2F-455F-9F34-FC9E791CFB49
9
Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B539187-06F7-4C4F-804D-E4AC6DCBAF99
10
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76612AE1-4132-4852-96F1-4794BB1BAC30
11
Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B4E2454-BF60-4D73-912B-06032A7BA58C
12
Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7A7F8E8-B222-4A4A-89F8-23B40CDB2526
13
Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D861EDA1-869E-4CBF-BA27-2D0AA93AB070
14
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29EF432C-7BBA-4C0F-9163-9272DEB5C8A5
15
Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B0EC28-2F2A-4F6E-86DC-9388A77D8E5B
16
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AFB9CA-E646-44C7-BF6B-D9B9A9448693
17
Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3DE03FB-3897-4EA1-B9D1-3A6667F85F92
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany