Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17218886-D271-4124-A039-27BA89446550
2
Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny], mba hamoa bebe koakoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B707B4BD-8B15-46E2-B939-3227A43185FD
3
Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7554F4F1-98B9-4FC9-BBD3-C8F054149F07
4
Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6C81094-B166-441C-9901-155D9D757713
5
Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F94CEFD-79B7-4EC3-8FCD-26C71814643A
6
Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B4E7271-08BB-48DA-92D7-26F7D6556C65
7
Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75BFC325-D25A-4125-88CA-AA5E91DC1B4E
8
Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC6D377F-9137-46B7-B749-DE3EE8D5C0EB
9
Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44585459-03E0-49F8-A4C4-75FA3D718230
10
Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didian'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92BA53BE-F145-4795-BBCE-9F42FA3E9B6E
11
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ha ho tanteraka ny fifalianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C35B8B08-CB2F-4E46-867B-54C1F11C3B28
12
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E166507C-9348-4604-91CC-91CC13F1ED8B
13
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35BDBFBF-7BC9-41BA-8B8D-DA27F9A47228
14
Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E11598D7-4BF7-4C8E-BF5B-D7A8D8D3FA95
15
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|204469A0-E3A8-4026-8170-E29566F780D5
16
Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D59686C8-AA74-46D3-9CE4-FD1F8218F92A
17
Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101D0B47-2A4E-4BD3-BEC0-603EBD928880
18
Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37E6A8DC-0391-4F53-908C-3C107AE0E2A1
19
Raha naman'izao [Gr. avy amin'] tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5608D849-A5A3-4525-9311-3CFFC781AF23
20
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AFD0D91-E9DF-478C-BB20-816F9C636841
21
Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala izay naniraka Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B02D54F-393B-4D6D-B9D3-536889479266
22
Raha tsy tonga Aho niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialana azony atao ny amin'ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE70E57D-A1BF-4EDF-85C0-4FC4A6384D8F
23
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F8ACBD-7ACF-4B85-9487-E26120B0B4FC
24
Raha nataoko teo aminy izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4DA3CC1-63CD-4041-B347-9C15B3640221
25
fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69.5; 109. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A77DE03E-3D1B-49AD-8D42-709F764DE1E4
26
Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C248B1A2-04A9-4A38-A3D7-3EF162363D75
27
Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0CECEE7-6A7D-41D7-8BA6-3F7EB055670E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany