Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40F0FE44-9BBE-47AB-AF19-6EAB86136A15
2
Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro [ora], ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64EF4F09-DB40-45F6-ACD5-C506B98F7E05
3
Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8B11454-99A7-4B2C-87FF-EC8FC10EC494
4
Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E01FB6-2316-4D2D-A462-82DFDD5B6521
5
Fa ankehitriny mankany amin'Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCF07ABD-475F-42F9-AEDC-ECE9F165729A
6
Fa satria nilaza iany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567B7707-6435-467B-8842-70C0EF8488E7
7
Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34B65D53-480C-45D5-8710-633E95ABCBD6
8
Ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|773768D4-A40F-4D6D-880D-347B197A2E86
9
ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|128CDFC4-FD41-496A-ADE1-D11C3A888D83
10
ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528147DA-0BA3-4404-A306-5F1341B2D76C
11
ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D397F117-312E-48B8-8DA9-C66CD58CF6BC
12
Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|819EEE17-EA19-4D74-8331-D64277BA4A31
13
Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E66C39D1-A561-42D4-AAFF-44EC4BB3AD21
14
Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3A80ED2-3B07-496E-A2B6-9CBD77017269
15
Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECFF3C62-FD60-49BD-B5E2-231C21EBED8E
16
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|668071A1-AC94-4861-85E5-25834FA727D5
17
Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: 'Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo,' ary, 'satria mankany amin'ny Ray Aho'?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62E4F1CE-7C48-4A98-818E-FD259A164F35
18
Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe 'vetivety foana' izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E0421A4-0021-43C9-A60C-ED69C087E9A4
19
Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va hianareo, satria hoy Izaho: 'Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F10E7D0-C94E-4CBE-984F-EFDB77BEBE98
20
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona hianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66F00E46-4E31-461D-9F72-7783E0D5EFCB
21
Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D031A8F4-55CC-4CDD-9E4C-42C57EBA4CAA
22
Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2D00DF4-A76E-4A51-B4B2-660E10C39765
23
Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona hianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9120ECD-AAE3-4B24-9D72-B85C10702966
24
Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12C6937D-B6CB-4595-A9BF-5940FA001AA6
25
Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro [ora] izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634E7399-1DB6-4148-97AD-34BC879DB192
26
Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako hanareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF3BF9F9-6A76-411E-AADB-5BAFFA633372
27
fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C9AFA76-D686-453D-A184-B6D4DFFDEE10
28
Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D0B41BB-4562-48E6-A701-EB86D82FFE8A
29
Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1651E6E9-5FCD-41F4-B58E-2E1F30AB3566
30
Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53D82654-2C43-4209-9211-9E8AFBA2B4E9
31
Jesosy namaly azy hoe: Mino va hianareo ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B00CE1DE-F57A-454F-8162-AA483FF7A49E
32
Indro, avy ny andro [ora], eny efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|081B94FE-D73C-43C4-847B-4A4D4C450C03
33
Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokoa; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96DBF960-F95D-44BF-9629-A04B8D990464
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany