Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rahefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4C1DE62-4E13-44C8-8D56-8135CD062B54
2
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB36E0B5-B413-4B0A-BF42-539F20686B52
3
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3F854FA-AB52-43EB-9F4A-764DB8D480DE
4
Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|715B3778-08A7-46EF-A91A-6C4F65362094
5
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B761BD58-C09D-4F6B-9713-6D0EF8C16DB3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany