Andininy
Protestanta Malagasy
20
Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2530C4E3-7025-478E-99B1-4346BA57AD4C
21
mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3881ED00-40AF-4028-AD19-AD8414E23881
22
Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51BB739F-146B-492C-8F4E-3F12CB2BF7C6
23
Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E7F3B7-7151-4BB3-A2ED-E50811DCB165
24
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|980F7921-C920-40EF-866B-C53FC18F6466
25
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BD8770A-6C87-43D6-B0D0-0A1A4040EE29
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany