Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32EC9DD7-842E-47A5-BA46-82116A0AA10E
13
dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A4AF257-0A20-4C04-A627-0A5269F36FD4
14
Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E5AA93F-398E-4628-BC4A-B8C06F5A39E8
15
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronaba izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|048D1946-2D6F-40CE-9CAD-537978DFA213
16
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5E6E97F-659C-4708-9082-4C6E9824036D
17
Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa hianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76969DA-36E7-4E95-8F8D-23DB5F67F604
18
Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F190C50-DB62-4F66-A49A-3CA2420EC51C
19
Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF99BDA-9CF5-4122-8E0F-C08175660927
20
Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D1C5BC-28E8-4172-8C0E-6EC6A523287A
21
koa nahoana no manontany Ahy hianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F68A6E4-85F4-4AC1-9542-70D474F104C2
22
Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina [tehina] an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD1451B6-1242-4C42-BBC8-9D7816C5D280
23
Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76FEAC47-3FDF-4997-90DA-2C5C255CF130
24
Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027CDB12-0796-4DD7-8893-82BC004A37F8
25
Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa hianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12B8CCC0-94BF-441F-994E-A04F1AE857B1
26
Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BA6469A-5399-44A3-8483-E67E88568857
27
Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D610BB0D-B6CA-4BD0-B29E-382592CED2D4
28
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anati-rova[pretoria], fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E9C39B-5B0C-4FE0-84D2-A5B74584ACD3
29
Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6515139F-8DAD-443B-80AD-0F30C80D951B
30
Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D8D99DF-6274-4353-A6F6-71936F9D4459
31
Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A3F1608-F825-4E58-883B-8D79E017F6A5
32
mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D1AF4B-D109-4C9B-92D8-F30E066FBBDF
33
Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|740DE7F9-2348-4057-8600-7924C9DD8D3D
34
Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A947FE9-FA54-49DE-ABED-BD401A9782B0
35
Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa ny ataonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E62417B5-0F4A-46E7-A739-9485F87E346C
36
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85E162DD-0E8A-4698-8136-A665CC96F8C4
37
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41955B7B-BFA9-4F9A-9985-102B52562513
38
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EC794E7-1BA3-419A-94C7-39557FAADBEF
39
Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39C41084-F0AD-4C7D-8030-B7F4F5F589A4
40
Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koa anefa jiolahy Barabasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8DE5D58-02B7-48A5-A440-165D2599820A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany