Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15661F8E-1CBE-4F92-9A92-28EFB5923C85
2
Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28219E48-7AE0-4588-9873-59CE9DD9C23F
3
dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina [tehina] Azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F4F3166-82A4-44B1-AE1C-BAE827364E93
4
Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CCCC866-F016-4100-8B30-73977049E9C9
5
Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CCA210C-DAEE-4C92-AF9A-9B16D13B9E6C
6
Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6257855D-CEFD-43A3-BCB7-096626FB77A4
7
Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65771ADC-7490-4B46-8589-C6E34222FC42
8
Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D59BE64-D58E-4625-BAB6-1CF98EABEEC8
9
dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B9F5B83-F353-4DF3-B688-6D11E4D4A818
10
Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD75D4D2-D02D-4607-A5BF-9CC32E01CDB8
11
Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony, koa izay nanolotra Ahy taminao ny manan-keloka bebe kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABE109EF-5A2C-4EB3-85B5-F7DD0C87FA7C
12
Ary hatramin'izany [Na: noho izany] dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara hianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9AA7752-CF1C-47A7-B1BC-DD24C7C6AA51
13
Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin'ny teny Hebreo Gabata-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|892847CB-F9AC-4B74-B8B1-965562986C93
14
ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina - dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D3F0AC-2109-4B65-A369-B870B964EB82
15
Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15ABC333-F975-4DD2-A53A-AF1791CF800A
16
Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C32569BB-76FD-4757-849C-E34F3264FA6B
17
ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED72DB04-50EF-4562-B67F-E6961C2AB3EF
18
Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D088D90A-E582-4340-93B3-483A977BA64C
19
Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF8689B1-CBD9-47B1-AC90-6CF79B43F794
20
Ary izany anarana izany dia novaki'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A99DCC5A-5104-4D9F-8A65-289DCD8B00F9
21
Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|535F7D85-538D-4044-97BD-4961752A8646
22
Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4C6597E-B749-4CF4-BE58-5BA99F39A705
23
Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; mary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C6C9103-BD42-4844-AC9B-3053224191D7
24
Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF8E933-9D13-42A0-9E46-DF71111A64DC
25
Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12671EA6-37F6-48E9-A330-9167B6728135
26
Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E317C113-7267-4AE6-A2D6-8024BD1CB214
27
Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9701460F-20EB-4F3B-9793-119733176D64
28
Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|734FCFB8-2F4E-4CD1-9A68-F3489AB257D4
29
Ary nisy bakoly feno vinaigitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaigitra notohiziny tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA6027B2-B116-4730-B457-706FFEF30183
30
Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81341D44-76EE-486B-BABA-CD7EFFCD68D1
31
Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tatry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A2E0A7-F07B-4AD5-9C71-ABC75C6150DD
32
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98411411-4275-494F-BDDE-4B534CA97A72
33
FA nony nankeo amin'i Jesosy ozy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8547F1DE-ECA4-4EC2-850D-D6E2A7A74464
34
Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D3FC64-506B-4557-915A-56230C49ED95
35
Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A710772-70E5-47B2-8BD7-9389F5E6A5D6
36
Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12. 46; Sal. 34. 20).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1396544-F05B-4B13-BB39-2B7259109F2F
37
Ary hoy koa ny teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E04C7CDF-7EB5-4F30-8BAE-EB7EE37D65F3
38
Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E50043DA-8E89-40EA-8B35-7CD6202CF8AB
39
Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0CBCB2E-CFB7-4E4C-A1D5-2836D02D9464
40
Dia noraisiny ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32C4B8E8-F4C3-43A1-8A21-8D1E9C5D9D18
41
Ary nisy saha teo amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevanana olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C43E518-C369-4D5E-A4F0-1E7263CA8046
42
Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E08C67F-3472-4E98-B3E5-94400BDA7FA8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany