Jaona 2: 13-17

Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EF0A4E8-C5A9-4CE5-9FE5-D88B0135A516
14
Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BDE715E-F423-4A8F-850A-84D4ABFB86A4
15
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F34372-EBB8-405B-A5E8-56654F5C2BF5
16
dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|325C84C1-3327-41D8-8A78-CEF80402AAC8
17
Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69.9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D24A3B7-58B1-4AFA-9789-9D1E0672BA01
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany