Jaona 21: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesoy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96BADEE4-57B8-44FC-A93A-D3EF265EEEEC
2
Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|614BA631-5662-412D-8C9E-098E24171B7F
3
Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BECCB5E4-1209-4074-BAA2-EA77A32D9492
4
Ary nony efa nazavaratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|118E9AD4-8819-4AC5-A7B1-692DE2508412
5
Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina [laoka] va hianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97E9666B-9C47-4D22-B558-961F6E55DCB1
6
Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo hianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D81EB82E-4421-4595-AC86-72B6A94A6467
7
Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny tompo iry. Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24832C39-BDD3-4F1C-9D98-A106EE42FA5A
8
Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|967E2C44-9E6D-4D67-895F-C85438CA645A
9
Raha vao niakatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EE1AAFF-812F-4584-AED1-2570F72116BD
10
Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A942F83B-EA92-4611-961F-3C06F950EBAB
11
Dia niakatra Simona Petera ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D3ABCB-9146-47AE-9D73-E3E04203B965
12
Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|923CF759-CE65-4B5F-B7A8-9949157C82F5
13
Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15C06CD-E5C5-4D5B-9B2C-C66B8881EBA2
14
Izany no fanintelon'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83F69AAA-3746-49BE-8DB6-454492B02D4D
15
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC0C447-F427-4424-955D-5DEEC521C79F
16
Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F9BBB6E-CDB6-44C3-B232-F7A543B68244
17
Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2218790B-BE72-4167-A2A2-EC23F74D4FFD
18
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no nahikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24C24648-8BFD-4B5D-A0D1-B9697B86F485
19
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A509969D-77A9-4F41-86FA-5696F5D49849
20
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDA25D2E-3886-4D21-86F1-6F3F26BC1281
21
Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC96AA07-DA9F-4452-BE81-9C6190D18B71
22
Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3B1B973-FABB-4E46-9834-ECD96567CCF0
23
Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: 'Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?'
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C4701E8-7073-47F5-9073-4F34CBF39229
24
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14965BBB-DF8D-44D2-92D3-88DEF6769482
25
Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB9E00FB-20F5-4AC3-878B-B330B9866DAD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany