Jaona 21: 15-19

Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC0C447-F427-4424-955D-5DEEC521C79F
16
Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F9BBB6E-CDB6-44C3-B232-F7A543B68244
17
Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2218790B-BE72-4167-A2A2-EC23F74D4FFD
18
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no nahikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24C24648-8BFD-4B5D-A0D1-B9697B86F485
19
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A509969D-77A9-4F41-86FA-5696F5D49849
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany