Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C0FF66-ACCD-47BB-90DC-A83F8DFA2C10
8
Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D37CB23-787D-4958-8A3A-1036EBA4C979
9
Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD4C93A3-027A-4E5A-B106-A38D1E1CD57A
10
Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC94C576-F3B6-4156-93D0-6DD1A6BB98BB
11
Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADCDFC6-FE46-4C13-9E45-F4FA62B26329
12
Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EA792F-0191-477E-8A8E-3FAB8812C3AB
13
Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0463736-AA49-4E6B-A5F9-248795589935
14
Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9B4C1D-303C-4D05-8A51-782A36D32200
15
Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|909629C4-1F27-4CE4-BE54-07826458E68D
16
Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30ED16E9-3002-4F41-8794-103BD665F67E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany