Andininy
Protestanta Malagasy
5
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D52931-48BF-4508-98C0-37B0087E61E7
6
Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD6F655D-DF24-4D31-BD4B-44DDEB94995D
7
Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|801F35CE-B161-4D97-959A-F726B64A7FA7
8
Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91FF7B1F-4060-47BF-B4D4-1CA97162DC12
9
Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D514B05-F25A-4D79-B115-856BAB83AA8A
10
Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F33C134-FCCA-4361-B47A-8E500E1C39F8
11
Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CDEC133-20C0-44EC-A4DD-2D770AF9A595
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany