Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nandalo Jesosy, fia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90196577-6DCD-4CC6-BE12-215C3A030BFC
2
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BB432F2-98C0-4912-BF33-519149F38A21
3
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A43A656-1A2C-40E5-9CDE-E9DF8C5B1551
4
Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|521E9583-058B-452A-8AC2-85CB5F54EDF1
5
Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01198CC9-8ED3-4F4E-884C-50017ABF47E7
6
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5DA44D6-2D42-458B-83F2-E587015B16CF
7
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291E7D1D-3129-4EF4-8D30-528A8E7C36F3
8
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1C3C8BA-0C9B-4541-9776-CD1785C2014F
9
Hoy ny sasany: Izy ity; fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB722035-C806-4214-8EF6-895C6C549309
10
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masoanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C12F7C-ACCD-4B00-9BAB-DC38270AC35F
11
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0F80B82-E02C-471A-A036-BB021DC35767
12
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D0392CB-7C68-4CFD-8CB5-D278A2CBFE46
13
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B392ACCE-9956-451D-A0EC-5D46A1A48077
14
Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52F4C515-86A5-42CE-AF25-A3E3474890F5
15
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D974D38C-F3AB-407F-9712-F522CF363665
16
Ary hoy ny Fariso sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana ny fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CD9E93-8605-46C7-AA2D-8D1546FEDF75
17
Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7CAAF4C-BED9-433E-A40B-E4342A9B391A
18
Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04CDAD40-812C-44FE-AE0D-B8D00C463F4B
19
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|334F16B2-1C3C-4679-8703-01FB01BD6FC9
20
Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C90E27F-BA10-4740-8594-AB8F95F34A54
21
fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB872EA0-E610-4213-B232-D632D027232C
22
Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F479A592-63F3-4EAA-963E-2FD3C03BA48F
23
Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E597B0C7-D922-4B08-825E-27B0CE2064ED
24
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AAB9341-D4C7-4D06-BB15-827B922EAE8F
25
Fa izy namaly hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro; jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C44D841-3BE8-4118-A3DE-87097711D007
26
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4BC470-DB84-4451-B040-2E983F5F9236
27
Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino hianareo; nahoana no te-hihaino indray hianareo? Moa te-ho mpianany koa va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90D5D0D8-4006-4007-B44F-81FDE06F8B00
28
Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DA2AA5E-7C27-4A09-BA8C-F584534FC4A0
29
Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB6AD22C-2E7A-4EC5-9E0B-8F03FB61529B
30
Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CD7482E-CCA9-4BF3-A337-A16605F7C812
31
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E21A25DC-4704-4401-AC97-2AC543A316F7
32
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B15B5E2-A2BC-454A-8E8E-C6C1FE86C96A
33
Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D3D4A6-BBF8-4B9F-A45B-9D649F997C24
34
Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D0B8740-8C5F-47C4-9724-75E9C920BFAB
35
Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak'Andriamanitra va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3868E73-206A-48F4-8D5E-0127CF8B3D1C
36
Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5176297-39A6-4C6E-B59C-1EC8EE21FE4C
37
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy hianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93C8617-93E2-4CB5-9421-33885138D8FC
38
Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|966FE23E-2910-4C32-848A-596875890540
39
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8686CE70-3AAB-4CA1-92D7-316FE658E8B7
40
Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D66DE567-FBA2-43F6-9C16-56EB46368277
41
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy hianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBB1EC2B-6D30-441A-8AB5-961C4C7AB570
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany