Asa 10: 1-28

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|325CFB09-E41F-4788-AD0F-EEC66BEEC869
2
ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42FFACFC-34C3-43C8-A65D-5A331DFE3C5C
3
Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A696A624-B4B1-4795-892A-08DEAF685C2C
4
Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B3B18E6-53CA-46DB-BD19-E7C511CBD397
5
Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|377B1874-6996-46AC-9D51-C9B900AED355
6
mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0208E514-829A-41D5-9BB0-7A5B9AEF6163
7
Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58D843D6-3710-4FCA-9620-721D27DBB0CF
8
Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634A28E5-4957-4186-A24C-151F7AA28204
9
Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dàlana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101F2FDA-4BDA-4B3D-B58E-ACE3AD737184
10
Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0983581B-67D1-4222-9245-F69E1A6B58A2
11
ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0FD557E-7037-48F2-9FB7-C7B6EA563B93
12
ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka ety an-tany ary ny voro-manidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE07046B-ED1C-49CF-B88D-E0BB27A862C7
13
Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B70DBAC-0590-4BD2-AB33-1CA599F3A75D
14
Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8937B8C-3E4B-45F2-85C4-27B3B2A51645
15
Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBD25BA6-1EA7-43E4-A3F3-33C7FC4D8A68
16
Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E13B9F3-2531-49D3-9F42-EA2297C53F34
17
Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEFDD290-5993-4FB2-A0ED-956EC7F56BC6
18
dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90DA7439-CDBE-4F9E-8726-735C9A19E0A2
19
Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C683AE5B-6212-4822-B74B-3152E9DAC424
20
fa mitsangàna hianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16E582E9-8D75-4E6A-B2F7-B6C46395F3DE
21
Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo aty?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55B3DDF7-94B4-438D-8DD3-10C7DF3E7886
22
Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2938E99-5937-4EB8-964B-CDB0CC4B8594
23
Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91A408D3-25EA-4F35-A667-1D4C35320C13
24
Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1019E214-A5CF-4AA7-A680-0A49EC8AB1A1
25
Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DB15D1C-2DE0-4F39-BAB5-8E460A29BE2C
26
Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna fa izaho dia olana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A96B5363-538C-42BE-BDA3-C81077FAD414
27
Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BACF595-1CA3-45F8-80AA-2B12CF88B69C
28
Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95816893-C67D-452F-9AC7-2C04F041D43C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany