Asa 11: 1-30

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53A0EAA1-94ED-4882-A52D-1C08162AB24E
2
Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD04236A-16D0-467C-BA89-34A05DC629FC
3
ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora hianao sady niara-nihinana taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B2ED75B-2DF8-441A-B749-CDC3FCF8654E
4
Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69BA64E4-1549-45C9-890D-6A86AF49BD03
5
Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960AB0C2-D586-4D99-A89E-3B670F921F88
6
ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby ety an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92A60FD3-A5EC-4A33-96A5-EE79D804051C
7
Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D78D3AE-EA17-4153-943E-2B3E49D26218
8
Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6911FF8C-F22A-464C-A11D-47FAD47A22CB
9
Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe : Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE8D8BE4-1F68-4F50-AEF5-1BB0CF7F0007
10
Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6581177-6D32-4B0F-A1C8-3E247ECC86EA
11
Ary tamin'izay dia, indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAE3BAE4-34CD-421F-A16C-06C3371D07E8
12
Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1244757B-308E-4FB3-BE01-7AA1D568A498
13
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45E416C2-CE35-43FB-9CF3-1E52D367B8FD
14
izay hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36BD27C6-D0D3-44D5-8EC2-BAB570EEC80A
15
Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68CD4542-1770-4B5A-AED0-4603DD4D70CC
16
Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa hianareo kosa dia hatao batisa amin'nyFanahy Masina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D8BCE8F-9D57-4FFD-8056-19539FE61C69
17
Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C63ED4C3-31D9-4E82-BF8D-684853F46CB5
18
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8299F2-5A1F-453F-B239-F9B145D8474D
19
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitori-teny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0506FD13-D88F-4FE1-9F4E-0AC35B37EC52
20
Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6BE7B4-6B69-47F1-BA56-F9AC65FC3BFE
21
Ary ny tànan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FEFBDAC-AF7F-4B11-9BA9-FC4067E8F137
22
Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24160E33-B3EE-4096-8560-56DF3030F8CF
23
Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3683C3B-DA02-4ED4-A18A-89D83E11A23C
24
Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4117CB26-9BD8-4CD3-95A6-EF530A23D3E6
25
Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|146E4746-0E97-4E08-B2D8-42513AA5E340
26
Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe Kristiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B242741-9277-480E-8B96-9DAA53C3CB62
27
Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|515800FF-468E-475F-966F-8379AB62239E
28
Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03E41926-7371-4EAE-9580-70A6E2D36550
29
Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFE94C37-7C7A-44EB-B7BC-F03D4A2575C2
30
Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|489F86B4-168D-4FD2-8479-E701E4C96884
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany