Asa 11: 19-24

Andininy
Protestanta Malagasy
19
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitori-teny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0506FD13-D88F-4FE1-9F4E-0AC35B37EC52
20
Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6BE7B4-6B69-47F1-BA56-F9AC65FC3BFE
21
Ary ny tànan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FEFBDAC-AF7F-4B11-9BA9-FC4067E8F137
22
Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24160E33-B3EE-4096-8560-56DF3030F8CF
23
Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3683C3B-DA02-4ED4-A18A-89D83E11A23C
24
Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4117CB26-9BD8-4CD3-95A6-EF530A23D3E6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany