Asa 14: 8-18

Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027C2B23-F808-471E-80AE-BF013D08A290
9
izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE955806-7660-4AA6-B43E-9AC87121CB51
10
dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangatsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C646061-5771-45E6-85BA-EE96FFD81DE6
11
Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EC06F18-3747-46BC-AE72-7B226E94CD24
12
Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A209AF-3AD7-4E22-9129-2A75C7E0D1E6
13
Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanĂ na, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho eo am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68CB7447-C152-4EA3-BD78-EDBA35807B9E
14
Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E946CC-4F30-46B4-918A-E9DBC92347AF
15
Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF976AD4-E605-4528-8E3F-CCFB90A1E50F
16
Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tianay haleha tamin'ny andro lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3625814A-A014-44B0-878E-8FC02AC7D154
17
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9627B3-E646-4BA5-85FE-C95B26CE60F7
18
Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8753DEBE-1C30-4005-BCCA-E54D8D745D72
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany