Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8905ABA3-93A7-44D1-9EFF-FDE8023E1A9F
2
ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1619BC06-63F3-4130-97A5-469E17F7F27E
3
Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EAF8315-9771-4558-99D9-609B3BAFE8D0
4
Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF57047B-EC32-4614-8A50-EEAD395542FF
5
Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|434C7D92-0AF3-4475-BE7B-17B08495AF16
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany