Asa 16: 11-15

Andininy
Protestanta Malagasy
11
Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nakany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E79D9AC-3456-47E4-A999-01ACD47917F8
12
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|419A7643-2B5D-45F9-A3D0-36FBDE5B6718
13
Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana, ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF2717D1-37A3-4ADE-8E5C-0AA769022921
14
Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin' Andriamanitra, dia nihaino izy ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B089AFC-07D7-4CD8-BE88-F1E283307E61
15
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477B2792-AF9C-4AF6-852A-3B39B6A0AC38
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany