Asa 2: 38-42

Andininy
Protestanta Malagasy
38
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018E2DA4-0BB4-48C6-8137-F00E40CA609A
39
fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin' i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D294EA9A-3753-4864-B972-5BB8CD61A394
40
Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9C09D42-9A21-4493-A418-82758588C4AC
41
Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|582DFA62-DDD2-49BF-8AF8-DEE32CFB7B77
42
Ary izy ireo naharitra tamin'iny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DF7DC38-DA42-487F-9261-4D0C022E3CC0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany