Asa 2: 5-13

Andininy
Protestanta Malagasy
5
Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|561000EB-4D8F-4D49-8526-BE0EECC4965E
6
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A350C83C-538E-4300-B100-96A2ADE1A300
7
Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B93D12EB-A625-461F-860F-3776F8B79DA6
8
Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika--
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C1E3B43-939C-4F68-886A-88ED86DE8E49
9
dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68C6B709-AA5C-43FC-94E4-3E577C5A9A09
10
sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an' i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|964235B6-9373-4176-B355-870CFCBFD5D4
11
Kretana sy Arabo--koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DE6EFE4-19F5-4B5B-A550-0EA1C7D7F788
12
Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEB6A88B-7588-4BFB-9B19-834F2B2E299A
13
Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2060F6D4-A749-4ADE-B45D-800D4679DA1F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany