Asa 20: 1-38

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa nitsahatra ny tabataba dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E872DF6-8284-4FA6-9608-E53BFAD7C9AB
2
Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46CBFBE8-8D95-470B-B578-2FEC73C03AB9
3
Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5399264D-671F-47AB-BB61-5DECB694F8A6
4
Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6818B647-9A04-4AC1-B2E1-189E2D2347A4
5
Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DC4CAFC-95A1-4ADE-AF4E-A18FD8DE7395
6
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F333153B-A5D8-4122-9E1D-CEC7EBCED7AD
7
Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitoriteny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-pahamamatonalina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3233A961-0D7F-448E-8F96-023887CDD04E
8
Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E935E22C-5505-4856-9B7E-801D5C87B3CB
9
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny tori-tenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33C90EB2-9A60-4483-B7D8-8C4CC65F1C09
10
Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika hianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2966727-ECD8-4C73-A0C1-EC0262FFF7D7
11
Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarainan'ny andro izy dia lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EC50AE0-E684-488D-AB07-D8B2CA7F6A25
12
Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6220F763-2582-4ACF-81EF-EDD097D87B79
13
Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana natoany, fa nikasa handeha an-tanety izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2837877B-3F37-4017-A899-EAD15D42EB4F
14
Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D849232-CA5B-409F-9F5C-09EA2C8DA611
15
Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34AC9356-FC3F-45CA-A6B8-CCBCDA8605EC
16
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3A8887B-FDEA-4762-BD2F-EEABB44931D5
17
Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon 'ny fiangonana hankeo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|125CCC18-554C-4603-B32F-BC0CA8C310CA
18
Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondrantenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCCA9F73-24AC-4602-AF7A-2E6528B30AB3
19
dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9025AFB-C04D-4CD4-8E46-E0F2E31BC4FF
20
ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8488305-1AE6-4935-A9A0-36FEB8AC5B03
21
ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8EC59B9-9DF5-4E63-B4AD-1E2D1DEE00E4
22
Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2EC650F-35CB-42B6-A68C-28E776CD6540
23
afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A4D2CD0-3E41-44F1-A260-AB8ECCDC1AE5
24
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3AB4D20-AA62-4E36-8EB0-6393B9353FAB
25
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony hianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03DF6446-AE0D-44CD-943C-D2C0C6B805F2
26
Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007AB310-5CFE-452D-949E-5A1E63EA4345
27
Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D271169-CDB2-4B10-8DC7-E109BC5470EA
28
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan 'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny rany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E188E1A-EB6E-4629-AB40-F3499A829563
29
Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B4ABF28-1A9F-435F-A564-B99D2EAE825E
30
Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0460BE17-7A85-4276-87FE-E9EC18E42442
31
Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman-alina tamin'ny ranomaso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A1251A7-DF95-43F5-9A86-11B2EF356B95
32
Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A81DAD-633C-4FE5-A2A6-F0117B02ED3F
33
Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29BAB821-20FD-4501-B064-1F84E7855257
34
Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E2517AD-BE63-42E4-A589-F5EBB777EBC9
35
Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ABC3C3E-54B0-4489-8CD7-B9E7C184E043
36
Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88EEB0D0-8613-4040-BDD3-583426BE3CDF
37
Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08D7B301-1FA3-4E5E-B93B-93FE810CDB1E
38
sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A908AD6-A805-4381-868F-A9FA29E85F86
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany