Asa 21: 1-40

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tafasaraka taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7574C938-0B84-4238-AEFD-0BE9DB6857E0
2
ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B03BA1F-09C5-4121-B3B8-214CBBDE95C7
3
Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B94E40D5-9330-48F7-A85C-ECDE20B6515E
4
Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78DF6480-F08E-4732-AAE6-8F60B8225C82
5
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3992763-5036-4DDE-8691-4C26BAF8A428
6
ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1BFE84B-42FD-4AC0-8412-7EA1BBA01A0B
7
Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28401BE2-FCF9-4A51-9599-7B191B9A3F68
8
Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAD5B32A-55A0-4ED5-A935-1146E8B35AB8
9
Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|676601AC-2DF1-4422-A291-143CC63262C1
10
Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|530521A2-E159-425B-ABAA-9E6AF8C72B03
11
Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy: Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B3003B3-B756-4544-BE2B-D93B4E4BD0C3
12
Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6EB192E-BE58-48B2-A891-8731D4B13D6B
13
Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10A73DB-89CC-467C-A89D-7C4B31258C43
14
Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55BDE911-D255-442C-8EE3-174C35BBC230
15
Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487FC143-952E-4A3C-BBB3-9FEC2C103A19
16
Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8B6A66B-D171-4B63-8DF3-13E66F54171B
17
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D52512-0CD0-4EDA-94F2-13A94F0D1DEE
18
Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59BFCBE4-58E4-4BD1-B0E1-986A69279E9D
19
Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F964BAD1-C673-4BFF-B4AF-6CEFD4988E71
20
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitana ny lalàna izy rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C79DCF52-5CEC-49C1-AE8B-CA8796A2DA8D
21
sady efa novokisan'olona ny aminao, fa hianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2FF8826-A1FD-4721-96B2-8D51CECB219E
22
Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5EF4B59-DC19-4394-9AB1-C9A9C904D641
23
Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy aty izay nivoady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F8B4A83-EC2C-4978-B0CC-5836324EB3AE
24
raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa hianao aza mandeha manaraka ny lalàna koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA481BFC-99D4-4A38-9E85-4FAD010D3DE3
25
Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra episitily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|207779AA-1F9C-4C89-A4D7-514BF15FA64B
26
Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C651E99F-13EB-4C73-A779-9119F112891B
27
Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC3AD10-125B-48F1-B3B2-ADCE17007915
28
ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2D46D20-ED2C-47D7-8755-14626987C470
29
(fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E9EF3DD-0230-430A-98DE-C7EF2A0F39A9
30
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C132C460-BDF6-4802-A62C-97EF79351410
31
Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1F71D94-3920-4D9F-8C8F-9AE1706F1F4A
32
ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52E1CB25-F0B3-4482-9CFB-E8EC275AECC8
33
Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra azy tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF3A7EB0-AC59-4454-92ED-98B758708BFE
34
Ary no sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA975E45-8268-4C37-AE49-98B50A2ED6CC
35
Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CA0639F-FDC9-446E-A232-E9C4CC06DED4
36
fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5151B5-25B2-4AE7-B95A-0F3AE929A336
37
Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C830EFB-19A5-4DB4-B0A2-8F299B5A3FEF
38
Moa tsy hianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EBD2923-77F0-4A8F-9094-AC7FD63C420F
39
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra hianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED7A8921-61E8-4EE2-94FC-9F12210ECA58
40
Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tànana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AF43535-85DD-417C-9DDF-BEC6D7937F3C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany