Asa 22: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahy sy hianareo ray, henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|508F39C5-C5BD-4A09-B8D5-5111F00FECD1
2
Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A24336B0-CEF5-4C30-8ECA-25D9F19865A9
3
Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3A1A980-B8DD-40B7-A910-4FBD5E0B6A49
4
Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-trano-maizina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C56C821-A23A-4F7D-A5B5-E4F78C465D79
5
ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67EE92A-C541-46CF-B09B-2FB7FC8FE409
6
Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5474680F-1481-4B88-A086-A9C6C7A5C914
7
dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7DA2C45-A701-44A1-8193-071B61442853
8
Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD7C9185-227A-4DFB-BC7E-D99390A10484
9
Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'Izay niteny tamiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB147AC-988F-422B-9ACF-BE6CC5686DA3
10
Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CBC5B64-4E40-4274-A374-C90161342E49
11
Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36EDE8C-CC63-4CF0-91AA-71B7DD9DDDB7
12
Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C2BC8C7-1A41-41DD-B6FB-9DA090B3524E
13
dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A20B6C4-4512-496E-A92F-A095F05BAA89
14
Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A18999C-B761-4EC0-80FF-D5BF0BAB28C8
15
fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra hianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1AD623E-0D21-45E8-A3CC-169036F2623E
16
Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C966F69-78EE-494C-84D0-33E00A1D3F2D
17
Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62DEA87C-FC46-49CF-B218-1FB97D3CFEFE
18
ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia hianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46735EE5-6214-4FD7-912D-1F7E8F9B549B
19
Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-trano-maizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23CE5084-C165-4D8E-8FEF-FD2A19EA4B46
20
ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A177C9E4-5F6A-482A-A575-995808DC644A
21
Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny Jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F9CE01B-6DFD-4428-8D0A-3D3B3B800E2A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany