Asa 24: 1-27

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE5979E5-40BA-4D45-936E-982478CF3684
2
Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9D588B9-20AF-422B-B812-48D6B25CF839
3
Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80FE740A-5D02-4B37-883A-3A7C979C97AD
4
Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra hianao, henoy kely amin'ny faharetanao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC4D5B08-CBE6-4052-A3F4-3EBE011DAC78
5
Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dàlan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54AD0AF-BCC9-42D5-AB0F-3DE82DB6AD2B
6
Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D2B671-D088-4A63-9FC8-34D29C3A0A3B
7
ka tianay hotsaraina araka ny lalànay. Fa tonga Lysia mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tànanay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A18DD262-AEE0-48AB-9807-67CB68BBC8D6
8
ary rehefa manadina azy hianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E09293BC-C553-4448-AA2F-098138FD160C
9
Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EDFFB5B-81C5-4E20-92F9-E79C70147B13
10
Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa hianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CBA80B6-D100-43F4-BC05-390CF261DD43
11
fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9EBA060-CA0D-4B7B-AC23-56CDC4297683
12
Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly, na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AD2D3B6-8818-471C-AC92-ED205ACD7F62
13
ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F838CCD2-B4C5-43D0-9569-2CB6F1EAABFB
14
Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F96907FE-A827-4697-B52E-B2C61A90714F
15
ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB5C46C-67B9-4D7F-AA88-3D09120A3D58
16
Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CEEEE87-290A-4D8D-9B8E-CD4506650CBA
17
Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C21642E1-1C47-4747-A6E4-1B5DCA1CF547
18
Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6FAAEF6-D621-41B0-B567-BF57D27F2045
19
tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E7DB71-1F05-46CB-A6FA-AA2E32DA6CCC
20
Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany, raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD8322CF-54C6-4CA1-B316-E9536D42ED1D
21
afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C931E906-DFC4-4135-A128-B3D54AD6A8D0
22
Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidina aty Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E58D4BC-930D-4297-B907-0AE34D0938AD
23
Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744BEA6D-E789-4710-B0C0-72308A4C5EB2
24
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E17C4427-763C-4000-A34F-804706EAE812
25
Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFB79220-0E39-4B85-82AC-26F52600DCBD
26
Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E929EFB6-6E2D-42F1-91F4-03B77234E1D3
27
Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Felisksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B0DF774-143F-4EFD-A311-08312A49BAA2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany