Asa 25: 1-27

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8FD68B7-A074-4BE2-AFDB-84171B415959
2
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25ECC021-8FB5-4EC5-B465-ED08B7C6A355
3
ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalàna izy hamonoany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D3C38FD-BAF2-4091-8C01-0B5149874F50
4
Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A70B9D3-0A7B-4446-9460-490A5CF5AAC5
5
Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7ED67CF-912F-480E-B293-77D6820B3EA7
6
Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D77A3735-C269-4195-85B8-A26B69795051
7
Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B6DA92-5DFB-4949-AE93-D947596C5A8B
8
fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14CF553E-40D4-4342-BA52-9CDA0B07B4E5
9
Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CAFF97-273F-4B4B-B3BF-DC7B1FCFA0CE
10
Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na hianao aza dia mahafantatra izany marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14519A4F-DD0B-4AAB-B478-B1EA25C3A475
11
Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DDF029E-5FC0-4D92-85E7-5093E3E86705
12
Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara hianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3C0340D-A56E-4984-9CE2-1727C91339DF
13
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44AD67FE-FB75-4338-9242-CD871CB569D3
14
Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|545F1171-C7C2-48CB-9C35-1679E4070F83
15
koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3D0276E-215D-4B8F-9EEC-26A5A6240BF8
16
Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany any amin'izay niampangan'ireo azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A367AB-919D-4D06-9EBE-2A2C39CA76C2
17
Ary raha tonga taty izy, dia tsy mba mijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9B91FD-D4D9-4E12-9247-13A20BB5E118
18
Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6D0487-A38F-4E0A-8589-C36E531D1CE3
19
fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'Izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63519AB0-2894-49E9-9AB3-CA8383309418
20
Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1BE602D-C3DC-4C2F-A651-B2B28999DF4C
21
Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2BE721-4623-4E02-A10A-A4DE368C9261
22
Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E9C50D-5515-4E4F-B1EF-0F9727F13D7D
23
Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAA7A6E1-404A-43E7-AD4F-14633E282D9E
24
Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainin'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C723A420-AE7C-4043-9103-2F43D4A676C8
25
Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CBD27D-708D-4C78-ADA7-8C28A7BBFF2E
26
Ny amin'io lehihaly io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A7F756-06A9-43EB-80CB-4B5957F22558
27
Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B463C61D-2278-4EB9-AAA0-0AFDB834B273
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany