Asa 26: 4-11

Andininy
Protestanta Malagasy
4
Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondrantenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E7323D4-D102-4E79-B2F5-FF3285B2A063
5
eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy,) fa efa Fariseo aho araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E91A9D29-D792-4770-B971-15CC98EBE3CA
6
Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA11FF77-2E45-4C89-8FDD-2B2F634D144E
7
dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman-alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8212C5A2-B550-487E-80E8-7875C718BF8A
8
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4550A626-47C1-4062-908C-D9BD96883B08
9
Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy, avy any Nazareta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|283F9E52-3824-4F54-BFC1-2FEBFE9C227A
10
sady nataoko tany Jerosalema izany ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-trano-maizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC7B3935-0921-402A-9B3F-B93157743358
11
Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy , ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8700C5BD-4AA4-4DAB-B44B-211CC992C7B0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany