Asa 27: 1-44

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567B10A6-14CA-42D1-84A6-99EF1A3B6C6E
2
Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminy Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B4CC887-6610-46D5-9DB4-103A814A9547
3
Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|429AA9E6-5BAC-474A-9AD9-D421BB3F3BAC
4
Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BFA040E-4A43-4148-ABD6-5E9DFC1B0FF5
5
Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfylia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F26C01EF-8E6E-4361-803F-2F1EB59031D0
6
Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93F45784-03EA-474C-A2BE-1AA9E0950772
7
Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia nanara-morona an'i Kreta tamin'ny ilany takon-drivotra tandrifin'i Salmona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1460ABE7-33F5-4871-BF69-A8053DED4D4E
8
ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atoa hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F74F0057-E5CF-4A74-9775-F0DA2FF7B83F
9
Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A93D7263-10F5-4D54-9B3E-8AC1ACD9A4FD
10
ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fati-antoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3C8AC33-BE58-4838-812E-4B95F5280F34
11
Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6454DF1-14C7-4126-80DB-E736A82603CA
12
Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foinika ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B955A83C-E5DE-4A15-99A4-26691C8EE70A
13
Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E510FB3-9AC0-495D-A7FA-93A9C4FD01A5
14
Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B615D8B2-AB83-4329-A170-1A7A314BDD61
15
Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0458B51-F5B5-4CA7-84CF-6BDD90E0F700
16
Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16EEE626-39D7-4689-96DA-145B14F75999
17
ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA78224A-CDC2-4457-BBF8-25AA0FDFB1B5
18
Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C42F0D2-4A7A-4A92-B239-94B76B4AE1A8
19
ary nony ampitson'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AE332A1-E15F-40CB-B579-9D0DF9AB16EE
20
fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A941E571-40AD-40F7-A42D-75565DEF53D7
21
Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy hianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C942D95-6C6D-4374-ADDC-00A93B57011A
22
Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky, fa tsy hisy ho faty hianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D5E5ED-5CD6-41B5-A554-0BED23CDF13C
23
Fa nisy anjelin'Andriamanitra Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BD955D-855E-42DB-B53D-7719A676ABC2
24
ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara hianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38B94CCC-0C50-45E8-B446-A493D8278D79
25
Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B877539-77C3-48A3-AB2F-9FCD3509004A
26
Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|657A0F2F-B3BE-4F1F-AF23-177D7579D477
27
Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F7FE1FC-9E7A-4CD8-9F38-2D81D3CB9565
28
dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1ED5BB7-D597-4502-A1EE-AAE0DDC0F3D2
29
Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny farambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodi-sambo ary naniry ny andro ho maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|939C6A91-B521-41A0-8DCA-F6B6B9B60CE2
30
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29EE1EA7-DCE4-4D03-AA05-50B78729CA8D
31
dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13A325EB-FE3A-4D05-ACD9-BE5E12AA4F69
32
Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A16DFEF-58D0-42FD-9F7A-D597229A82D9
33
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana hianareo ka tsy nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B33119-E4A1-4E4E-934B-D5EB8F72E71B
34
Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|720BF22B-F68B-4087-9306-E586EC06C63E
35
Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55CF1B6D-EBE9-491D-B88E-98DE0F1F6074
36
Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFF5B63F-8731-410E-947E-EB2458882BD2
37
Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A35335F3-8C87-4210-A388-F281D463B1FB
38
Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|340A1835-9434-4E38-B2F6-22D7DB133E38
39
Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasaina hampidonana ny sambo, raha azony atao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD876A0-DA04-4E88-912D-6F73F61EE4D9
40
Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo, dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D137BAE-56FE-4FAE-BE04-5CD6F8EF6AD2
41
Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidina tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0585354D-1977-407D-AD89-97A077330A4F
42
Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34B255CE-D6B5-4035-9F5D-27E311E737FA
43
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45B8C4DF-DEAC-4DF2-B74E-778655075B7E
44
Ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77B16B29-E92A-406B-BA19-30BF5065CB79
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany