Asa 27: 30-44

Andininy
Protestanta Malagasy
30
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29EE1EA7-DCE4-4D03-AA05-50B78729CA8D
31
dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13A325EB-FE3A-4D05-ACD9-BE5E12AA4F69
32
Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A16DFEF-58D0-42FD-9F7A-D597229A82D9
33
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana hianareo ka tsy nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B33119-E4A1-4E4E-934B-D5EB8F72E71B
34
Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|720BF22B-F68B-4087-9306-E586EC06C63E
35
Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55CF1B6D-EBE9-491D-B88E-98DE0F1F6074
36
Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFF5B63F-8731-410E-947E-EB2458882BD2
37
Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A35335F3-8C87-4210-A388-F281D463B1FB
38
Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|340A1835-9434-4E38-B2F6-22D7DB133E38
39
Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasaina hampidonana ny sambo, raha azony atao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD876A0-DA04-4E88-912D-6F73F61EE4D9
40
Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo, dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D137BAE-56FE-4FAE-BE04-5CD6F8EF6AD2
41
Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidina tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0585354D-1977-407D-AD89-97A077330A4F
42
Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34B255CE-D6B5-4035-9F5D-27E311E737FA
43
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45B8C4DF-DEAC-4DF2-B74E-778655075B7E
44
Ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77B16B29-E92A-406B-BA19-30BF5065CB79
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany