Connection error!

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F58DCB-2BB8-4074-9910-6F453B34563E
2
Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C16C141A-0AB2-42D8-B2B4-C08C3533B07E
3
Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2AA70C4-9A75-439E-803F-C37617F61D70
4
Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80940295-036D-4E1C-9483-161E89B31EE3
5
Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A889E1C-DD17-407A-90BD-BCDDAB0A18A5
6
Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: 'andriamanitra io'.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA807384-5A8B-48DF-869B-C21EE4896AED
7
Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Poplio, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A1E7DCE-050B-41B8-91C8-827539121667
8
Ary nararin'ny tazo sady nivalan-dra ny rain'i Poplio, ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|625177C1-954E-4B0D-800B-15419439B1E9
9
Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B2DA557-EECE-4427-BFB4-2FC1692A915F
10
Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C3645A6-057F-4AB0-85A8-C45AC70D59E1
11
Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A815A427-9D23-4A06-AB15-396820DD54A6
12
Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|163463FF-076C-4867-AEAF-97DDBD67C4CF
13
Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50CE4BD2-FB9E-4336-909F-BA8ED1700EB9
14
tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02FF06D-2D8E-48B7-9D4C-1CD10372081C
15
Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'i Apio sy ny Tranom-bahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53687A0-13E1-468C-80C0-45632924B0FF
16
Ary rehefa tonga tany Roma izahay, ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny mpiambina; fa Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A77E7DED-30C9-4E14-A754-855EE91C7C14
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany