Asa 4: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761E0759-BE4F-4D84-8598-744977487FD5
2
fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01DC7CD8-2986-445E-A1F9-F91B40B1A045
3
Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-trano-maizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C64238C4-5BEC-44C9-9DFE-3FD8AE44EE64
4
Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3239E09-1DFA-4D41-B025-7A5F3AF24DC0
5
Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BFA8FE-AA32-4224-B2AC-B99B70198688
6
sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBD25242-E872-458B-A6C8-856BAF1DE6C3
7
Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E862A36B-D885-4D99-BA63-8D8C8C68DE41
8
Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C4E2144-C046-47DE-B06B-CED4476C1691
9
raha adinina izahay anio ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57A395A1-E682-48B9-8714-5C2487916C19
10
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04F20597-2CBB-49A6-A76D-135550C76076
11
Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal 118.22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C58C86-481D-4965-9B27-5361E8064622
12
Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48599774-3A0D-4283-9B82-D55984AAEF29
13
Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0725082E-5801-48EC-B8A9-03B12BF14D25
14
Ary nony nijery ny lehilahy izy efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7776B1E0-EA1B-47FC-9512-CEBFA76A579D
15
Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|025F4080-28F8-42C0-865A-A52AF871628E
16
ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D880D40B-5113-4E4D-8433-516235651B21
17
Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98B57983-A76B-4903-9C5C-4AA8134825F4
18
Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93640FDE-4D22-4C01-8433-1B311CF81505
19
Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CD2CC5B-B657-4E8B-8732-4022D58FBF15
20
Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81980B10-3F0D-40D5-9C6E-2538BA44DF03
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany