Asa 4: 23-31

Andininy
Protestanta Malagasy
23
Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A7F4897-3165-49BA-868C-2CC081A9B785
24
Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E41EDD1-7DFA-495E-9137-ADF1191E09CF
25
ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: "Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92277B47-A1E9-408A-8430-6BFD67B57719
26
Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, ary ny mpanapaka niangona hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany" (Sal 2.1.2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5154298D-F0AB-4CC4-9BC2-66F42DF0107B
27
Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAFE8CF3-6413-4498-B20B-83BFBF3710F6
28
mba hanao izay notendren'ny tànanao aman-tsainao rahateo hatao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A6C21DC-FCC3-42BF-A500-F1623E1801F1
29
Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F92864A9-B38E-462E-9C7D-FC3C9ECFBD2E
30
omban'ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran' i Jesosy, Mpanomponao Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29CC7D3A-2222-44B3-98EB-EDA43A8E0C25
31
Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin' Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA1F1DDD-2931-4412-B20E-34ABFFDE1268
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany