Asa 5: 2-13

Andininy
Protestanta Malagasy
2
ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|760322B4-C8D6-4CA0-A9F1-ABF12C8377D2
3
Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka nanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14F31CC0-87FF-48F4-BFAE-102819266AB8
4
Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin'olona hianao, fa tamin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|431FE3E9-6FEF-4BD1-BDB4-5589F488D5D1
5
Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F2847FC-ECA0-4CDA-9F4D-5A21B88F2239
6
Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD36223F-9F5D-406B-B9A7-0F8ACFE884AB
7
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3043244C-37F3-4674-83EF-3C526DE923BC
8
Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15215F10-DAFD-490D-94CF-3CC186891218
9
Ary hoy Petera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB5F5125-7FAB-440D-BF77-AD7FF8E30C5C
10
Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58F14B2D-4E46-4522-926E-E7A5E28D718D
11
Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62602B67-7A2A-45C0-A0FA-755458FC4CC5
12
Ary ny tànan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA59180D-4D05-4F8E-986D-4C4206E41CAB
13
ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D92582F-E6CB-46F1-9B1F-101D80177386
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany