Asa 7: 20-36

Andininy
Protestanta Malagasy
20
Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8AF874-D4E0-44F2-AC24-F94D51F7C5FA
21
Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BE8A306-FB19-40CD-8E50-2B66BABCD797
22
Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C3345FA-66F5-4E1B-9DC0-8A72C6245875
23
Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'Isiraely rahalahiny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AF844E0-A4F7-4779-86CB-142398B46166
24
Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D64BBED0-94C3-415B-B080-0BE8D4EA41E1
25
Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63D93833-5799-44B1-874E-6D04B166C499
26
Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy hianareo, koa nahoana hianareo no miady?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EEF3CED-B91F-4824-926A-0ED09FAC2435
27
Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: "Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50799120-D0B7-4491-95B4-001D4B9C93A1
28
Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? "(Eks.2.13.14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7227825E-D355-4A67-B5DD-7DC5195DA09D
29
Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AF12376-4913-435B-937D-E3D71E946E14
30
Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE978BD1-0156-4FDA-9A26-04D04BC0C7AF
31
Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F7DF809-E7E2-4855-8D24-B52384235AAD
32
Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks.3.6). Dia toran-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|288F6747-641F-4933-996B-128BA542A724
33
Ary hoy Jehovah taminy: "Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F105BBBD-B2D4-48F3-959C-A4F43C05BBB6
34
Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta hianao" (Eks.3.5.10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B83BFD-B0BF-4919-BA69-3C98937811BA
35
Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks.2.14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tànan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED430263-54B5-4002-B2FB-1B7F38232868
36
Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB6468A-AD8F-49EC-A697-395F91901E62
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany